Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, tetsy Andravoahangy, ny Academy Kids, ivontoerana manabe ireo kilonga amin’ny ping-pong. Notsiahivin-dRaobison Hervé, filoha mpanorina sady efa filohan’ny federasiona teo aloha, fa efa tamin’ ny volana janoary no niasa izy ity. Tanjona ny hanomanana dieny izao ireo ankizy hiatrika ny fiadiana ny […]
Fanatajahantena
Lomano-Analamanga : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023
Hetsika voalohany karakarain’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, ny « Coupe de Noël », hatao ny 17 desambra ho avy izao. Fifaninanana hotanterahina ao amin’ny dobo filomanosan’ny ANS (Akademia nasionalin’ny spaoro) Ampefiloha. Ankoatra ny maha « Coupe de Noël » azy, amin’io koa ny fifaninanana hanokafana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga. Mba hahatomombana antsakany […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: andrasan’ny maro ny fihaonan’ny USA sy ny FTM
Taorian’ny lalao ampahavalon-dalana izay natao ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, nisy ny antsapaka natao. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo lalao efatra. Hotanterahina ny alahady 3 desambra ho avy izao, eny Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2023, taranja rugby. Anisan’ireo lalao roa tena […]
Tenisy – Mada 2023: hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina anio, eny amin’ny Club olympique de Tananarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Marihina fa hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary sy loka maro avy amin’ny mpanohana ireo tompondaka amin’izany, araka ny vaovao nampitain’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Tenisy (FMT). Raha ny fandaharana navoakan’ny FMT tao […]
Rugby Club Tanora Soavimasoandro : hivelatra amin’ny taranja hafa
Toy ny fanaony isan-taona, notanterahina ny sabotsy 25 novambra lasa teo, teny amin’ ny kianja Imamba, ny Andron’ ny mpiara-miombona antoka amin’ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Nambaran’Andrianarisoa Avotra Tokiniana, filohan’ny ekipa, fa tanjona manaraka ny fisokafana amin’ny taranja hafa eo amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora. Hanombohana izany, ny tenisy, […]