Fanatajahantena

Karate-Africa Cup JKA : Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 1 ny Malagasy

Malagasy mpikatroka mirahalahy no nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika JKA, taranja Karate. Fifaninanana notontosaina tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo anivon’ny JKA (Japan Karate Asso­cia­tion), natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Medaly […]

Yas Coupe de Madagascar : Manohy ny diany ireo klioba hafa, haverina ny lalaon’ny Elgeco Plus

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Elgeco Plus, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagas­car ». Misy lalao iray tsy maintsy averina. Fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba fito tafita amin’ny lalao ampahefa-da­lan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagascar, «Yas Coupe de Madagascar», taranja baolina kitra. Anisan’izany ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona izao, any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley, ho an’ny taona 2025. Eny amin’ny torapasika, eo ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana mandritra ny 3 andro. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny […]

Karting –Mada 2025 : 25 ireo mpanamory hiady ho lohany

Miisa 25 ireo mpanamory nisoratra anarana hiady ny 1er Grand Prix, taranja karting. Fifaninanana hotanterahina rahampitso alahady 25 mey, eny amin’ny circuit SRK Imerintsiatosika. Mikarakara izany ny klioba Serana Racing Kart. Anisan’ireo hiarika ity dingana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity Razafindratsimba Mbolara, mpanamorin’ny klioba FMM­SAM, ao amin’ny sokajy Elite […]