Malaza ho sakaizan’ny mpandresy ny Malagasy raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no resahina. Raha mandresy, tsenaina sy anaovana akora lava. Aderadera etsy sy eroa ary ankalazaina ho ren-tany, ho ren-danitra. Mitsangana hatramin’ny maty, hoy ny vazivazin’ny sasany. Marina tokoa izany satria ireo tsy tazana hatramin’izay, miseho ho mpanohana avokoa […]
Fanatajahantena
Rugby – «Sevens challenger series»: Tafita ho any Pologne ny Makis de Madagascar
Manohy ny lalany amin’ny fiadiana ny «sevens challenger series», taranja rugby lalaovina olona 7 ny Makis de Madagascar, lehilahy. Tafiditra ao anatin’ireo firenena valo voalohany, nahazo ny tapakila hiatrehana izany ny Malagasy taorian’ny fahavitan’ireo dingana roa natao. Tontosa ny sabotsy 8 marsa lasa teo, tao amin’ny kianja Athlone Sport Stadium, […]
Randriamiandrisoa Nicolas : 32 taona niangaliana ny taranja Taekwondo
Mpikatroka eo amin’ny taranja Taekwondo, teratany malagasy, milaravinahitra any Frantsa, Randriamiandrisoa Nicolas, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Nicolas Ragonz. Ankoatra ny maha mpikatroka azy, mpampiofana eo amin’ny taranja Taekwondo any ivelany, nanomboka ny taona 2009 ny tenany. Handeha ho fantarina ny momba azy. Randriamiandrisoa Nicolas no tena anarany ary […]
Volley-CCCZone 7 : Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy
Tontosa omaly ny lalao manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball tanterahina any Maorisy. Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy, rehefa nandresy ny Saint Denis Olympique Volley-Ball avy any La Réunion tamin’ny tie break ( 25 – 22 / 23-25/25-23/19-25/16-14). Raha fintinina ny dingana nolalovan’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tontosa teny amin’ny Orange Digital Center, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fifaninanana taranja Échecs “Queens Women Open Tournament”. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fandaharanasan’ny federasiona ity. Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tanà”, taranja Bodybuilding. Fifaninanana izay hotontosaina […]




