Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpilalao tonga namonjy ny fampivondronan’ny Barea Chan, omaly, tetsy Mahamasina, i Arohasina Andriamirado na i Dax. Nilaza ny tenany fa tombony lehibe ho an’ity ekipa nasionaly ity ny fifangaroan’ireo mpilalao zandriny vao hiantsehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ireo efa voky traikefa tahaka azy. Nambarany koa fa mbola vonona tsara […]

Handball – “IHF Trophy”: Firenena 5 hiady ho lohany

Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “IHF Trophy”, taranja handball, ho an’ny faritra faha-7. Fifaninanana ho an’ny sokajy cadette sy junior, sokajy vehivavy. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles ary i Tchad. Nambaran-dRaherijaona Clarisse Régina, filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, ny […]

“FIBA Women’s Series” : Nandresy an’i Roumanie, resin’i Italie ny Ankoay

Tafiditra tanteraka ny Ankoay vavy, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba Women’s Series”, tanterahina omaly sy anio, any Azerbaidjan. Azo lazaina ho tsara amin’ny ampahany ny vokatra azon’i Mada­gasikara nandritra ny andro voalohan’ny “Fiba Women’s Series”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Azerbaidjan, nanomboka omaly ary hitohy anio, ao anatin’ny andro faharoa. […]

“Médecine du sport et de dopage” : 31 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andasibe, ny fizarana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana nanaraka ny “Cours national décentralisé en médecine du sport et de dopage”. 31 mianadahy no nahavita ny fiofanana ka notolorana izany mari-pankasitrahana izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 22 mey teo ny fiofanana ka nisy ny […]

Yas Semi-Marathon Mada 2025 :Nanjakan’i Jean Claude sy i Marthe ny fifaninanana

Notontosaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, «Yas Semi Marathon » andiany fa­hadimy, taona 2025. Nanjaka teo amin’ ny sokajy « se­niors », ho an’ny alaviran-dalana 21 km, Rakotonirina Jean Claude, atleta lehilahy, avy amin’ny klioba AS Crown Antsirabe. Araka ny fanadihadiana natao, 1 ora sy […]