Nifarana omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Norombahan’ny klioban’ny AS Jet Mada ny amboaran’ity fifaninanana ity, rehefa nandavo ny AS Etoile Filante, tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3 izy ireo. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta […]
Fanatajahantena
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: tsy afa-bela tamin’ny TAM ny Mang’Arts
Manohy ny dia amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny TAM Anosibe rehefa nandresy ny Mang’Arts Manjakaray. Tafita ihany koa ny TFA Anatihazo sy ny USA Ankadifotsy. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao sakana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ny […]
FIBA 3X3 Africa Cup : fantatra ireo mandrafitra ny ekipa malagasy
Hotontosaina ny faran’ity herinandro ity, any Le Caire Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Nivoaka ny sabotsy teo ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, lahy sy vavy. Fiovana misongadina ny fahitana an-dRandriatahiana Sarobidy, mpilalaon’ny GNBC, ao anaty lisitra. Raha ny fanazavana, misolo an’i Chine i Sarobidy. […]
“Road to BAL” : Tapitra hatreo ny lalan’ny Cospn
Nifarana hatreo ny lalan’ny Malagasy, ekipa solontena amin’ny fifaninanana “Road to BAL 2024”, taranja basikety. Nolavoin’ny Dynamo Burundi, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo izy ireo. Isa iray monja no namoizan’ny Malagasy ny nofinofiny hiatrika ny fifaninanana “Basket-ball Africa League”, taona 2024. Tamin’ isa 79 no ho 78 no nandresen’ny ekipan’ny Dynamo […]
Amboaran’i Madagasikara: Ekipa valo hanao lalao sakana amin’ny rugby
Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hiady lohany amin’izany ireo ekipa 12 voalohany sangany amin’ny “Top 12”. Araka ny fandaminana napetraky ny Malagasy Rugby, hanao ny lalao sakana ireo ekipa nitana ny laharana fahadimy ka hatramin’ny fahavalo, niatrika […]