Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Synthètique Andohalo, ny “For Good Connexion”. Hetsika ho an’ny niomerika mandray andraikitra, nokarakarain’ny Union des clubs et écoles de foot-ball (Ucef) sy ny Orange Madagascar. Fampianarana ny ankizy hitandrina sy hahafehy ny ora hijerena ny findainy ary antoka amin’ny loza ateraky ny […]
Fanatajahantena
“Orange MPPTOUR 100”: lasan’i Miary Zo sy i Landry, sokajy lehilahy, i Prisca sy Zarah ho an’ny vehivavy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tenisy anaty efitrano Padel, “Orange MPPTour 100”. Nanjakan’i Miary Zo sy Landry ny teo amin’ny lehilahy, raha toa ka mbola ry Prisca sy Zarah no nahazo ny medaly volamena ho an’ny sokajy vehivavy. Notanterahina teny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny […]
Rallye Motul: voalohany i Faniry sy i Mahents
Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, […]
Basikety: norombahin’ny MB2All ny amboaran’ ny ligin’i Boeny, vehivavy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny amboaran’ny ligin’i Boeny, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1A. Nafana ary tena niady ny lalao, na ny sokajy lehilahy, na ny sokajy vehivavy. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay, norombahin’ny ekipan’ny MB2All Analamanga ny amboara, rehefa nifampitana tamin’ny ekipan’ny GNBC Analamanga […]
Baolina kitra – Ampahefa-dalana PFL: resin’ny CFFA tany amin’ny minitra farany ny AS Fanalamanga
Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny dingana ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL 2025). Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Niady ary samy nampiseho ny fahaizany ny roa tonta. Fihaonana […]





