Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 m, omaly, teny amin’ny Essca Antanimena, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Nilaza ny tenany fa vonona ny fitondram-panjakana hanohana ny taranja sy ireo atleta izay miaro […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Tsy lavo nitsikasina akory
Mbola loha-laharana amin’ny vaovaon’ny fanatanjahantena aloha ny mahakasika ny kianja Barea, Mahamasina. Tsy misy zavatra afenina ny amin’io fotodrafitrasa io fa miharihary toy ny masoandro be lohataona. Mahonena anefa fa misy ny manao toy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no soavaliana. Manatsatso sy mamendrofendro andro aman’alina. Manao […]
Rugby ho an’olona 7 – «Challenger series 2025»: Laharana fahenina ny Makis de Madagascar
Tsy nitsanga-menatra ny Makis de Madagascar, nandritra ny dingana voalohany niadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Nitana ny laharana fahenina i Madagasikara. Tsara toerana amin’ny fiadiana ny laharana 8 voalohany. Nifarana omaly alahady, tao amin’ny Kianja Athlone Stadium ao Afrika Atsimo, ny dingana voalohany amin’ny […]
Karate : Miverina ny fitiavan’ny olona ny taranja
Feno hipoka ny Kianja mitafon’i Mahamasina, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, ny faran’ny herinandro teo. Porofon’ny fiverenan’ny fankafizan’ny olona ny taranja karate izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasion’ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny […]
CCC Zone-7: Nanainga omaly ny delegasiona malagasy
Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley, hatao any Maorisy. Fifaninanana izay tokony hanomboka anio saingy nasiana fihemorana iray andro noho ny toetr’andro any an-toerana. Ho an’i Madagasikara, omaly tamin’ny 5 ora hariva no nanainga hihazo an’i Maorisy ny delegasiona hiatrika ity fifaninanana ity. […]




