Hitsara ny lalao hihaonan’i Guinée sy i Somalia, ilay Malagasy mpitsara, Rakotojaona Andofetra Avombitana, raha ny vaovao azo omaly. Tsy lalao ara-pirahalahiana akory ity tsarain’ ity Malagasy mpitsara iraisam-pirenena ity, fa fihaonana izay hiadiana ny tapakilan’ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika. Vokatra tsara hatreto no azon’ny ekipan’ny GNVB, miatrika […]
Fanatajahantena
filoha vaovao : Ho fantatra ny volana avrily ny FMTKD
Araka ny fanadihadiana natao omaly, hotontosaina ny 12 avrily ho avy izao, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD) vaovao. Fantatra amin’io fotoana io izany ny anaran’ny olona hitantana indray ny FMTKD. Tsara ny mampahafantatra fa efa nijoro nanomboka ny volana febroary teo, ny Comité Ad’Hoc, izay […]
Rugby – «Challenger series» : Hidona voalohany amin’ny Makis i Georgie
Efa ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fiatrehana ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, ny Makis, amin’izao fotoana izao. Ao amin’ny vondrona “C” i Madagasikara, miaraka amin’i Georgie sy i Allemagne. Tsy niandry ela fa taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, natao […]
Kick-Analamanga: Nanokatra ny taom-pikatrohana 2025
Nanokatra ny taom-pikatrohana 2025 tamin’ny alalan’ny fifaninanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ligin’Analamanga, taranja kick-boxing, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay nahitana mpandray anjara manodidina ny 180. Klioba 27 no nahatonga solontena. Nahafahana nahita ny lentan’ny mpikatroka ny taranja kick-boxing amin’izao fiandohan’ny taona izao ity fifaninanana ity, izay antenaina ny […]
“World Cola PFL” : Afa-bela ny Elgeco Plus
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baoliana kitra “World Cola PFL”. Afa-bela tamin’ny ekipan’ny Dsiciples FC Vakinankaratra, tompondaka farany, ny Elgeco Plus Analamanga, laharana faharoan’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny taon-dasa. Lalao natao ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-pass. Resin’ny […]




