Klioba anisan’ny efa ela ny Union amicale et sportive des Cheminots (UASC), taranja Judo. Feno 35 taona ny nijoroany ka nisy ny lanonana nanombohana ny fankalazana teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga, ny faran’ny herinandro teo. Hitondra rivo-baovao sy hametraka toe-tsaina sahy hanova eo anivon’ny klioba no tarigetra araka ny teny […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : Nodimandry i Benony Jacques
Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana omaly, tany Toamasina, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) teo aloha, i Benony Jacques. Raha tsiahivina, nitantana ny komitim-pirenena tamin’ny fandrindrana ny baolina kitra, ny taona 1990 – 1994, rehefa nandalo olana ity taranja ity. Taorian’io, nirotsaka ho filohan’ny federasiona ka […]
Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny Malagasy
Tapitra teo amin’ny ankatoky ny famaranana ny dian’ny ekipa malagasy roa, nandritra ny famaranana lehibe, niadiana ny “Petanque passion française (PPF 2025)”. Fihaonana notanterahina omaly, tany amin’ny kianja Aix-en-Provence, France. Raha tsiahivina, nomontsanin’ny ekipan’i Monros sy i Luc Laillé ary i Guillaune Magier, tamin’ny isa mavesatra, 13 no ho 2, […]
“World Cola-PFL” : Ady sahala ny an’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola-PFL”. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro sy noheverina ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny AS Fanalamanga sy ny Elgeco Plus Analamanga, natao tany Ambatondrazaka, omaly. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 tsy […]
DAKA AN-JORONY: Aza miebo tena toa vorontsiloza
Samy manana ny fanehoany azy ny fandraisana andraikitra. Ao ny mandray izany ho antoky ny fahombiazan’ny asa ka tsy azo anaovana rainazy. Ny an’ny hafa kosa hisehosehoana sy hankalazana tena. Mahavariana fa ireo miasa mangina dia toy ny miasa jamba rafozana, tsy misy mahita. Ireo miasa sy mizahozaho kosa toa […]




