Fantatra ny alahady teo ireo klioba roa tafita amin’ny manasa-dalana izay hifanandrina amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Nahavory olona maro ny lalao teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana nahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL […]
Fanatajahantena
Fanatanjahantena: Tsy mifidy taona sy sarangan’ olona ny Fampiasam-batana
Mahalava velona ny olona ny fikolokoloana ny vatana amin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ireo taova rehetra anaty sy ivelany. Maro ny fomba hanaovana izany fa anisan’iray goavana ny fanatanjahantena. Tsy mifidy taona na sarangan’olona ny fampiasam-batana. Misy anefa ireo tsara ho fantatra araka ny torohevitr’ireo manam-pahaizana manokana. Dingana voalohany amin’ny fampiasam-batana ny […]
Fankatoavana ny Kianja Barea: Hofantatra amin’ity faran’ny herinandro ity
Hifantoka tanteraka any amin’ity resaka Kianja Barea ity ny sain’ny mpankafy baolina kitra, mandritra ity faran’ny herinandro ity. Efa vita avokoa ny asa nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, sy i Craig Ian William, nitsirika ny kianja teto an-toerana. Hatreto, tsy mbola misy ny feo mandeha […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Maro ny fihaonana handeha amin’io fotoana io, saingy ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny Avenir Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hatao etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus, By-pass izany, rahampitso. Nahemotra […]
Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Miray vondrona i Rocher sy i Racle
Tontosa omaly, tany Aix-en-Provence France, ny antsapaka amin’ny famaranana lehibe taranja tsipy kanetibe, « Passion pétanque française (PPF 2025) ». Nozaraina ao anaty vondrona efatra ireo ekipa 16. Fantatra fa tafaraka ao amin’ny vondrona faharoa ny ekipa misy ireo frantsay, i Dylan Rocher sy ny an’i Quintais ary i Montoro, sy ny […]




