Fanatajahantena

Judo-Afrika Seniors : Tompondakana fanindroany Rasoanaivo Laura

Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, fanindroany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny faran’ny herinandro teo. No­po­rofoin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura indray ny maha judokas kalaza azy eto Afrika, eo amin’ny sokajy Seniors, […]

Jiu-jitsu- Open Africa: Nandrombaka medaly volamena 20 i Madagasikara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny nosy Maorisy, ny fifaninanana “Open Africa”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Nandrombaka medaly volamena 20 be izao i Madagasikara. Namiratra tanteraka ny Malagasy mpikatroka, nisolo tena an’i Mada­gasikara, niatrika ny fifaninanana “Open Africa”, notanterahina tany Maorisy, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 20, volafotsy 6 […]

Randriamalala Jean Yves: Maniry ny ho lasa mpilalao milaravinahitra any ivelany

Nifarana tanteraka ny 13 avrily teo ny dian’ny Makis Sevens, tany Pologne, nahazo ny laharana fahadimy ny Malagasy. Anisan’ireo mpilalao mendrika nandritra iny fifanintsanana iny i Jean Yves, Malagasy mpilalao. Anisan’ireo mpilalaon’ny Makis Sevens nisongadina hatrany tamin’ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, “Challenger Series”, izay natao tany Krakow, Pologne, Randriamalala Jean […]

SOMBIM-BAOVAO

Nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 7 ny atleta malagasy 3 mianadahy, i Fabia, i Avotra ary i Antonio, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, natao tany Maorisy, tamin’ity herinandro ity. Teo amin’ny sokajy Seniors no nifaninanan’izy ireo. Nahomby ny “stage de recyclage”, taranja Muay, notontosaina, omaly, […]