Fanatajahantena

Lalao sakana “XXL Top 12”: Famaranana kely ny an’ny Tam sy ny TFMA

Hitora-jofo ny Kianja Makis Andohatapenaka, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay ekipa tafita amin’ny lalao sakana “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny donan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA (Boaikely manohitra). Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis An­doha­tapenaka, ny lalao sakana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, […]

“Afrobasket 2025 Qualifiers” : I Johan sy i Madi sisa andrasana

Ny 21 febroary ho avy izao, etsy Mahamasina, no hanomboka ny fifanintsanana basikety, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny « Afrobasket 2025 ». Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray omaly, avy eo anivon’ ny Federasiona malagasy (FMBB), andrasana rahampitso ny fahatongavan-dRandriamananjara Johan, […]

Kitra any Allemagne  : Efa tompon-toerana i Bolo

Malagasy mpilalao baolina kitra, efa mametraka ny lazany any Allemagne, i Voaha­riniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Tapa-bolana teo izay no niarahany tamin’ny kliobany vaovao, Hertha Zehlendorf Berlin 03. Efa tompon-toerana sahady ny lehilahy, nandritra ireo fihaonana roa efa vita. Nilalao nandritra ny fe-potoana 45 minitra izy raha nifanandrina tamin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, vehivavy, sokajy D2. Hifandona amin’izany ny ekipan’ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny FTVL (Lalamaty). Hotan­terahina miaraka amin’izany koa ny lalao sakana eo amin’ ny lehilahy. Hifanandrina ny 3FAI sy ny Cheminots. Fantatra fa hisy Malagasy vitsivitsy handrafitra […]

Futsal, vehivavy – CAN 2025: Miray vondrona ny Barea sy i Sénégal

Notontosaina omaly, tany Egypte, ny antsapaka amin’ny andiany voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina anaty efitrano na “futsal” sokajy Sénior, vehivavy. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’ny Lionan’i Teranga an’i Sénégal sy i Tanzanie. Miisa […]