Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianjan’i Barikadimy Toamasina ny fifaninanana “Poule des AS”, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra eto amintsika. Norombahin’ny KFCA Diana ny amboarabe sy ny lelavola 6 tapitrisa Ariary rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny FC JM Androy. Ny ekipan’ny FC Inate […]
Fanatajahantena
“World Jiu-Jitsu Championship »: Hifaninana amin’ny “Amateurs” ihany koa ny Malagasy
Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka, hiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena “World Jiu-Jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, amin’izao, ireo solontena malagasy. Araka ny tapaky ny avy eo anivon’ny kaomisiona teknika manaraka akaiky ireo Malagasy mpikatroka ireo, handray anjara amin’ny sokajy “Amateurs” ihany koa ny Malagasy. I Christian, tepana fotsy, -62 kg, i […]
Basikety”Road to BAL” : voalohany ao amin’ny vondrona E ny Cospn
Vokatra tsara no azon’ny ekipa malagasy, Cospn Madagasikara, niatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL” 2023, taranja basikety. Fifaninanana nizotra teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, nanomboka ny 6 oktobra lasa teo ary nifarana omaly alahady. Ekipa 3 no nifaninana tao amin’ny vondrona E, nahitana ny Beau Vallon Heat […]
Volley-“Coupe de Mada” : hatao any Mahajanga manomboka ny 27 oktobra
Ny ligin’i Boeny no handray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, amin’ity taona ity. Fifaninanana hotanterahina ny 27 oktobra hatramin’ny 4 novambra izao, ao amin’ny kianja “complexe sportif” Ampisikinana Mahajanga. Ny sokajy lahy sy vavy no hifaninana ary misokatra ho an’ny klioba rehetra manerana ny ligim-paritra rehetra. Fifaninanana mamaramparana […]
Rugby – XXL Top 20: tompondakan’i Madagasikara ny FTM Manjakaray
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2023, ny FTM Manjakaray (Dakar), eo amin’ny taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Cosfa (Bebaoty). Norombahiny ny lelavola 3 tapitrisa Ar sy ny amboara lehibe. 5 taona aty aoriana, niverina eo am-pelantanan’ny FTM Manjakaray indray ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara azy, eo amin’ny taranja rugby. […]