Fanatajahantena

Kick Boxing-2025: Ady iraisam-pirenena telo miandry ny Malagasy

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federa­siona malagasin’ny kick boxing amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Anisan’ny goavana ireo fifaninanana iraisam-pirenena telo miandry ny federasiona ary mikasa ny hampandray anjara ny Malagasy mpikatroka amin’izany ny FMKB. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, andiany faha-10, […]

Judo- « Grand Slam 2025 »: Samy resy tamin’ny fihodinana voalohany i Laura sy i Lova

Nifarana omaly alahady, ny fifaninanana « Grand Slam de Paris », taranja Judo, notanterahina tao amin’ny Arènes de Bercy, tany Paris. Tsy nahomby ny solontena malagasy. Omaly no niakatra tatami ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81 kg), tao anatin’ ny fifaninanana « Grand Slam de Paris ». Teo […]

Fifanintsanana Afrobasket 2025: Hanomboka anio ny fampivondronana ny Ankoay

Nifarana ny sabotsy teo, ny kotrana sy ny fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny « Afrobasket 2025 ». Fanazaran-tena natao teny Imerikasinina sy teny Mahamasina. Nisy mihitsy ny fandaharam-potoana narahan’ireo mpilalao tamin’izany. Hihamatotra izany fanazaran-tena izany, manomboka anio, ka hivondrona eny amin’ny Cnaps […]

Ravatomanga Maminiaina: Filoha vaovaon’ny Federasion’ ny golf malagasy

Nandray ny toerana maha filohan’ny Federasiona malagasin’ ny Golf, afakomaly, Ravatomanga Maminiaina. Goavana ny fanamby napetrany, toy ny fidiran’ny taranja ao anatin’ny kaomity olympika. Hitantana ny Federasiona malagasin’ ny Golf (FM Golf) mandritra ny efatra taona manaraka, Ravato­manga Maminiaina. Name­traka fanamby goavana hampivoarana io taranja io izy. “Mazava ny vina […]