Fanatajahantena

Tsipy kanetibe – « Masters 2025 »: Nasain’ny federasionina iraisam-pirenena manokana i Zigle sy i Tiana ary i Donald

Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « Masters 2025 », hotanterahina any France afaka telo volana ry Zigle sy Tiana ary Donald. Noho ny nandrombahan-dry zalahy ny laharana faharoa nandritra ny « Mondial 2024 », ny anton’izany. Tsy hiaraka amin’izy telo mirahalahy i Racl fa hitondra ekipa manokana. Noho ny vokatra […]

Disciples FC : Nanokatra botika ho an’ny mpankafy azy

Nampahafantarina ny zoma teo, tetsy Ankadindratombo, ny fisokafan’ny botika Disciples FC Store. Tranom-pivarotana akanjo sy fitaovana baolina kitra, izay nataon’ny Disciples FC Vakinankaratra ho an’ireo rehetra mankafy azy ireo sy ny mpitia ny taranja baolina kitra. Tanjona amin’izany ny hidirana amin’ny sehatra matihanina, ny hampivelarana sy ny hampandrosoana ny klioba, […]

Kick-“Coupe de l’Océan Indien” :Nahazo amboara sivy i Madagasikara

Fahombiazana tanteraka no azon’i Madagasikara, nandritra ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, taranja Kick Boxing. Fifaninanana notontosaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy 12 avrily lasa teo. Amboara 9 be izao no norombahan’ny Malagasy mpikatroka tao anatin’ny ady 12 nitranga. Malagasy mpikatroka 3 kosa no voahosotra ho tompondaka […]

Rugby – “Sevens Challenger Series” : laharana fahadimy ny Makis de Madagascar

Na tsy tafakatra tany amin’ny “play off” aza ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana “Sevens challenger series”, taranja rugby ho an’olona 7. Nahita vokatra tsara ihany izy ireo, ka nahazo ny laharana fahadimy. Tsy nitsanga menatra ny Makis de Madagascar, omaly, tany Krakow Po­logne. Laharana fahadimy tamin’ny fifaninanana “Sevens […]