Fanatajahantena

Jiujitsu Brezilianina: Hatao ny 27 avrily ny « Grappling Tournament »

Taorian’ny “Grand Open Mada”, nokarakarain’ny Club 101 Jiujitsu, ny herinandro lasa teo, ho avy indray ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny taranja JJB. Hatao ny alahady 27 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Grappling Tournament”, an­diany faha-19. Ny klioban’ny JJB Attila no mikarakara izany izay efa anatin’ ny fanoma­nana […]

Kick-“Coupe de l’Océan Indien” : Hatao eto Madagasikara, ny 12 avrily

Fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 12 avrily izao, ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, na « Coupe de l’Océan Indien », taranja kick boxing. Firenena telo no handray anjara amin’izany, ahitana an’i Maorisy, La Réunion ary i Madagasikara mpampiantrano. Araka ny fandaharam-potoana, ady 12 (9 lehilahy, 3 vehivavy) […]

«Sevens Challenger 2025» : Hiatrika lalao telo ny Makis anio

Hifantoka any Pologne ny sain’ny mpitia lavalava, manomboka anio. Hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’ny “Sevens challenger 2025”, taranja rugby lalaovina olona fito, ny Makis, lehilahy. Vonona ry zalahy hiatrika izany. Hanombok amin’ity zoma ity ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Sevens challenger 2025”, taranja […]

SOMBIM-BAOVAO

Natao tao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo, omaly, ny “festival de rugby scolaire” nokarakarain’ny Malagasy rugby. Tetikasa fampiroboroboana ny taranja baolina lavalava eny anivon’ny sekoly. Miisa 8 ireo toeram-pianarana nandray anjara ao amin’ ny Cisco Arivonimamo. Hiditra amin’ny fihodinana faharoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (Yas coupe de Madagascar), taranja baolina […]