Nanomboka ny alarobia 26 marsa teo, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifantenana ireo Malagasy atleta eo amin’ny taranja volley-ball. Hiatrika ny CJSOI, hatao any Seychelles, ny volana jolay izao izy ireo. Atleta 36 avy eto Analamanga no nanomboka nivondrona voalohany, mandra-piandry ireo avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny […]
Fanatajahantena
«Mondial 2026» : Fito ireo firenena efa tafita
Ankoatra an’i Etats-Unis sy Canada ary i Mexique, mpampiantrano ny “Mondial 2026”, firenena efatra hafa no efa nahazo ny tapakila hiatrehana izany. Tao amin’ny faritr’i Azia, tafita voalohany ny Samourai an’i Japon, miampy ny Tim Melli an’i Iran. Ho an-dry zareo any Oceanie indray, ny Kiwis Nouvelle-Zelande, tafakatra amin’izany. Fanintelony […]
« World Cola PFL » : Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ ny CFFA sy ny AS Fanalamanga
Hiatrika lalao avy hatrany, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo klioba rehetra mifaninanana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity, ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny AS Fanalamanga, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fitsidihana sekoly teto an-drenivohitra ny Team Heros sy ny All Stars Madagascar, omaly. Anisany nanaovan’izy ireo izany ny EPP Ambohipo. Tanjona amin’izany ny hiombonana sy ny hanatsarana ny fanavaozana ny sekolim-panabeazana eto Madagasikara. Nomontsanin’i Argentine tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Seleçao Bresil, afakomaly, tao amin’ny Kianja Estadio […]
Rugby – «Challenger series 2025» : Hidona voalohany amin’ny Makis i Canada
Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny rugby na ny “World Rugby”, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharan-dalao amin’ny dingana faharoa hiadiana ny “Challenger series 2025”, amin’ny rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, hotanterahina any Pologne, ny zoma 11 sy ny sabotsy 12 avrily ho avy izao. Raha ho an’ny sokajy “B” […]





