Fanatajahantena

Volley-GNVB lahy sy vavy: samy hiatrika ny CCCZone 7

Tsara ny vokatra ho an’ ny ekipan’ny GNVB (Gen­dar­merie Nationale de Vol­ley Ball), tamin’ity taona 2022 ity, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny GNVB, Chef d’escadron Comman­dant Fortunat, tetsy Beton­golo, omaly. Anisan’ny ni­songadina indrindra ny fandraisana anjara voalohan’ny GNVB vehivavy, teo amin’ ny sokajy 1ère Division, izay nisalotra ny tompondaka lefitra […]

Rallye Bosch CT Motors: hiady izay ho tompondaka i Mathieu sy i Fred

Hamarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia ny Rallye Bosch CT Motors. Hanana ny lanjany izany satria hamaritra izay hisalotra ny ho tompondakam-pirenena 2022. Hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 11 no­vam­bra ho avy izao ny Rallye Bosch CT Motors. Dingana farany hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara. Fantatra […]

Judo-“Tournoi International”: mangataka fanohanana i Nampoina

Sambany eo amin’ny tantaran’ny Judo malagasy ny fandraisana anjaran’ny judokas jamba, ny fifaninanana hahazoana tapakila hiatrika Lalao Olympika. Hihazo an’i Kodokan Japan, ny 6 desambra izao, hiatrika ny “Grand Tournoi International” natokana ho an’ny mpikatroka manana olana ara-pahitana na jamba, Rakotoarivelo Nampo­i­na Daniel, judokas jamba. Mbola tsy ampy anefa ny […]

Kitra – Orange Pro League: lavon’ny Uscafoot ny Tsaramandroso Formation

Tsara fanombohana ny ekipan’ny kaominina Antana­na­rivo renivohitra Uscafoot, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­ka­ra, taranja baolina kitra “Or­an­ge Pro League”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Tsaramandroso Formation Boeny, teo amin’ny andro faharoa, ho an’ny kaonferansy atsimo. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja Alarobia, ny asabotsy lasa […]

Handball – IHF Trophy U20 zazalahy : Tompondakan’ny faritra fahafito ny Akio

Tsy mbola afa-bela tamin’ny Akio Madagascar ny Club M Maorisy, nandritra ny famaranana, niadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball IHF Trophy, zazalahy. Mbola resin’ ny Malagasy tamin’ny isa 37 no ho 22 ry zalahy, teo amin’ny famaranana. Voahosotra ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja hand­­ball sokajy U20 zazalahy (IHF […]