Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny Barea sy ny ekipa voafantin’i Vatovavy sy Fitovinany, ny sabotsy lasa teo, tany Manakara. Fandresena iray sy ady sahala tokana izany no vokatra azon’ny ekipa nasionaly malagasy, tamin’ity fanomanana ny Chan ity. Vita izay ilay lalao roa, natao hanomanana ny fiadiana ny […]
Fanatajahantena
Tenisy – Afrika Aostraly: resin’i Zimbabwe i Madagasikara
Nitohy omaly, tany Whindoek Namibie, ny fifanintsanana isan-tarika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Resin’ny ekipan’i Zimbabwe, tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ ny manasa-dalana, ny Akomba de Madagascar U14, lehilahy. Ho an’olon-tokana, resin’i Mauchi, tamin’ny seta 2 […]
Baolina kitra-Barea U17: voaasa hiatrika fifaninanana iray volana any Maroc
Nanainga afakomaly hariva, tetsy Ivato, hihazo an’i Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy zandriny, U17 lehilahy. Araka ny vaovao voaray, omaly, hiatrika lalao ara-pirahalahiana any Maroc ireto Barea zandriny ireto, mandritra ny iray volana. Tsara marihina fa nahazo fanasana avy amin’ilay klioba any an-toerana, Raja Club Athletic, izy […]
Fifanintsanana « Afrobasket 2025 »: mpilalao 18 hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly
Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety tao amin’ny pejiny facebook, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao hitiliana izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy. 18 mirahalahy izy ireo no tafiditra ao anatin’izany. Mpilalao milaravinahitra 6 no tazana ao anaty lisitra, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahotan Rija, […]
Top 12: hanatsara ny ezaka vita ny Uscar
Hiatrika ny lalao sakana eo amin’ny fifaninanana Top 12, hifandona amin’ny klioban’Anatihazo ny Uscar. « Tratra ny tanjona satria efa tonga amin’ny ankatoky ny famaranana ny ekipa », hoy ny fanazavan’ny mpanazatra ny klioban’ny Uscar, Razafindratsimba Marcelin. Tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity, ny hampiakatra ny lentan’ny ezaka efa vita tamin’ny taon-dasa. Hanome ny […]




