Tontosa ny talata 14 janoary lasa teo, tany Casablanca, Maraoka, ny fifidianana teo anivon’ny UAJ (Union africaine de Judo). Mbola lany hitantana izany mandritra ny 4 taona manaraka indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Voafidy tsy nisy fanoherana ary nahazo fankatoavana tanteraka izy tamin’ny alalan’ireo federasiona 32 manerana an’i Afrika, izay tonga nanatrika […]
Fanatajahantena
Karate-Afrika: mpikatroka 20 no homanina ho any Nizeria
Tanjona ho an’ny federasion’ny Karate do malagasy (FKM) ny hisehatra eo amin’ ny fifaninanana iraisam-pirenena bebekokoa amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity. Io no nohamafisin’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, nandritra ny famaranana ny fampivondronana tapany voalohany ho an’ny mpikatroka sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. […]
tompondakan’i afrika aostraly: nahazo fandresena faharoa ny Akomba de Madagascar
Manohy ny fahombiazany hatrany ny Akomba de Madagascar, sokajy U14, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Nahazo fandresena fanindroany ny Malagasy rehefa nandresy an’i Angola. Nitohy omaly, tao amin’ny kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy isan-tarika, sokajy […]
« Chan 2025 »: tafara-bondrona amin’i Centrafrique ny Barea
Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, omaly alarobia, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao milaravinahitra na ny «Chan 2024». Tafaraka ao amin’ny vondrona «B» ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves, Centrafrique. Tsy vaovao amin’ny Malagasy […]
Rugby – Top 12: hatao amin’ny febroary ny lalao sakana
Araka ny tetiandro navoakan’ny Malagasy Rugby, hotanterahina ny 16 febroary ho avy izao ireo lalao sakana rehetra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Anisan’ izany ny fihaonana eo amin’izay ekipa hijanona ao amin’ny “Top 12”. Hiady izany toerana izany ny UAS Cheminots, laharana faha-11 sy ny 3FAI, tompondaka lefitra tamin’ny […]




