Norombahan’ny Barcelona, Espaniola ny amboara nandritra ny ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des Champions 2023» (LDC), taranja baolina kitra. Lavon’ireto ekipa vehivavy espaniola ireto, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Vfl Wolfsburg Alemana. Izany dia notanterahina tao amin’ ny kianjan’ny Philips Stadium, ny sabotsy 3 jona lasa […]
Fanatajahantena
Karate – “Coupe du Président” : nampiseho ny fahaizany ry Rajaonarison
Tsy misy taona ary tsy misy fetrany ny fanatanjahantena, fa rehefa ao anaty dia ahitana vokatra tsara. Anisan’ny mpikatroka nisongadina sy nampiseho ny fahaizany, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, farany teo, Rajaonarison Gallie CN 4è Dan (50 taona), 33 taona nanaovana karate tao amin’ny Akka Tsaralalana. Tompondaka sokajy Vétéran […]
Kick-boxing – «Les ceintures des champions»: laharana faharoa i Madagasikara
Tontosa ny sabotsy 3 jona lasa teo, tatsy Maurice, ny fifaninanana “Les ceintures des champions”, taranja kick-boxing. 9 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara izay tsy nampitsanga-menatra raha ny vokatra azo. Laharana faharoa no nisy ny firenena malagasy rehefa nandrombaka medaly volamena 5 tamin’ireo katrok’ady miisa 12. Firenena 4 no […]
Tournoi Get into rugby 2.0: 300 mianadahy nifaninana
Nampifaninana ireo ankizy ao anatin’ny sekolin’ny baolina lavalava ny Malagasy rugby, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. “Tournoi Get into rugby” no natao, ho an’ireo kilonga latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Nahatratra 300 ireo nandray anjara, avy amin’ny AJS Mada, EREV ary ny Cheminots. Navitrika […]
Rugby – “XXL Top 20” : tsy nahatohitra ny Uscar ny USA Ankadifotsy
Nitohy, omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahefatra sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “XXL Top 20”. Nandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’izany, ny kaominina Antananarivo renivohitra Uscar, nandavo ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa mazava. 53 no ho 16. Tsy nahatohitra […]