Tsy nitsanga-menatra ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo, nandrombaka medaly volamena ihany koa ry zareo, tamin’ny alalan’ny ekipa isan-tarika, lehilahy, nahitana an’i Nativel sy i Zo ary i Luciano. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’ny Zone Forello Tanjombato. Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Maldives […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea
Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Barea de Madagascar. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Nosy Maurice, teo amin’ny andro faharoa ho an’ny vondrona «A». Mitarika vonjy maika ny Malagasy, manana isa 4. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, amin’ny taranja baolina kitra ny Barea de Madagascar. Nisaraka […]
Basikety: tsara fanombohana ny Ankoay
Fahombiazana tanteraka ny azon’ny ekipa malagasy, taranja basikety, tao anatin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana isam-bondrona, lalaon’ ny Nosy andiany faha-11. Nibata fandresena avokoa ny ekipa lahy sy vavy, teo amin’ ny basikety lalaovin’olona 5. Ho an’ity taranja ity, izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, nanao pao-droa […]
Laharana voalohany vonjimaika : medaly volamena 11, volafotsy 14 ary alimo 14 ny azon’ny Malagasy
Mampiseho ny tanjany hatramin’izao ny atleta malagasy, miatrika ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mitana ny laharana voalohany vonjimaika i Madagasikara, izay manana medaly 70. Hiditra amin’ny andro faha-5 anio, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy hatramin’izao, amin’ny ankapobeny. Medaly 70 be izao […]
Vory lanona ny vahoaka: nahasondrina ny seho sy ny ravaka antsehatra
Tontosa tao anaty hafaliana sy haravoana ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11, omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Seho ara-javakanto isan-karazany no nentina nanokafana izany lanonana izany. Anisan’izany ny fihetsika mirindra sy ny seho an-tsehatra, izay samy nanehoana ny maha izy an’i Madagasikara. Tena nampitolagaga ny maro, […]