Notontosaina ny alakamisy sy zoma teo, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny lehibe an’ny FMF, Randriamanampisoa Alfred, fa hotolorana lelavola 3 hetsy Ariary, isaky ny telo volana avy ireo mpilalao fahiny mihoatra ny 60 taona, efa nandalo tao amin’ny ekipam-pirenena. […]
Fanatajahantena
Rugby- XXL Top 12: tsy mbola misy mahatohitra ny Cosfa sy ny FTM
Notontosaina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava “rugby”, XXL Top 12. Tsy nisy ny vokatra tsy ampoizina, mbola manjaka tanteraka amin’ ity fifanintsanana ity ireo klioba vaventy, toy ny Cosfa Miaramila sy ny FTM Manjakaray. Raha ny voka-dalao azo teny an-toerana, […]
Nandresy an’i Eswatini: Efa any amin’ny «Chan 2025» ny tongotra ilan’ny Barea
Tsara fiiditra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra «Chan 2025 », taranja baolina kitra. Resiny teo amin’ny lalao mandroso i Eswatini. Fahombiazana ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar teo amin’ny lalao mandroso, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny […]
Judo – “Mada Vétérans” : Namiratra i Mamy, i Luc ary i Vestalys
Natao teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, omaly, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vétérans, taranja Judo. 24 ny mpikatroka nandray anjara izay nizara ho sokajy M1 hatramin’ny M7. Raha atao bango tokana ny valin’ny fifaninanana, tamin’ny alalan’ny Ippon avokoa ny ankamaroany nahazoan’ny mpikatroka ny fandresena. Anisan’ny tena nandrasana ny fiakarana tatami […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco plus By-Pass, ny famaranana ny lalao fifanintsanana hiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny sokajy zandriny U15, lahy sy vavy. Efa azo lazaina fa tompondaka i Madagasikara, efa nahazo fandresena avokoa ny mpilalao, lehilahy sy vehivavy. Marihina fa tetikasa avy […]




