Fanatajahantena

“Afrobasket 2025” : Vonona haka ny tapakila ny Ankoay

Tonga ny fotoana! Hanomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”. Vonona ny ekipa malagasy hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”, izay hatao eto Madagasikara, manomboka anio. Hahoraka ihany koa ny eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, mandritra ny telo andro, izay manomboka […]

JJB-Federasiona  : Ligy telo no hitsangana tsy ho ela

Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona ny eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fotoana nanaovan’ny mpitantana ny tatitra ny zava-bita tamin’io izay natrehin’ny ligim-paritra 2 (Atsinanana sy Boeny) amin’ ny telo ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena. Ankoatra ireo ligim-paritra […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 22 febroary, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana Rugby lalaovin’olona fito, lahy sy vavy, sokajy zandriny U18. Araka izany, nisy ny fivoriana ara-teknika nataon’ireo klioba sy ny mpitantana eo amin’ny federasiona, omaly, mahakasika ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa natao hiatrehana ilay «Aroi 2025» izany. Nahintsan’ny Feynoord Rotterdam, […]

Futsal – Analamanga: Nasiana sokajy roa ny fifaninanana

Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Manoloana izany, efa miomana ny ligin’Analamanga, ka hikarakara fifaninanana eto an-drenivohitra, ahitana sokajy vehivavy sy lehilahy. Araka ny vaovao navoakan’izy ireo, omaly, hatao […]

Padel – « Orange MPP Tour »: Mpiara-miombona antoka manokana ny BNI Madagascar

Taranja vao haingana ny Padel saingy efa manenika an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy nisalasala ny banky BNI Madagascar, hiara-kiasa amin’ny fanatontosana ny fifaninanana « Orange MPP Tour » ho an’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Notanterahina ny talata 18 febroary lasa teo, tetsy amin’ny Parklife Alarobia, ny fifanaovan-tsonia, manamarika ny maha […]