Fanatajahantena

Rugby lalaovina olona 7: fantatra ireo mpilalao mandrafitra ny Makis

Ny alakamisy lasa teo, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vaovao tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy rugby, vao namoaka ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagas­car, ireo mpanazatra sy ny ekipa teknika. 12 lahy sy 12 vavy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ary hiady ny handrombaka medaly volamena. Saika mpilalao efa zatra […]

Basikety: hidona amin’ny Ankoay i Maurice

Anisan’ny taranja hiaka-tsehatra, anio, ny basikety lalao­vin’olona 5, izay hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahan­tena Mahamasina. Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika fa ny ekipan’i Maurice no hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy, raha toa ka ry zareo Renioney kosa no hidona voalohany amin’ny Ankoay lehilahy. Tsiahivina, ao amin’ny vondrona A, […]

Fifaninanana : taranja 13 hiditra an-tsehatra anio sabotsy

Hangotraka manomboka anio ny fifaninanana eo amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ity. Tsy miandriandry fa avy hatrany dia hisy ny fiadiana ny medaly volamena eo amin’ireo taranja sasany. Miisa 13 ireo hiakatra kianja avy hatrany. Hifantoka amin’ny fifaninanana amin’izay, ma­nomboka amin’ity sabo­tsy 26 aogositra ity, ny lalaon’ ny Nosy. Taranjam-panatanjahantena […]

Sport Gymnase Ankatso: efa vonona handray ny fifaninanana

Hanomboka anio, eny amin’ny Gymnase Ankatso ny fifaninanana taranja volley ho an’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Vonona ny handray lalao amin’izany ny “Gymnase” Ankatso. Araka ny fanadihadiana natao ny alarobia lasa teo, teny an-toerana, miisa 500 ny isan’ny seza ary natao plastika manara-penitra izany. Novaina ho “béton” ny kianja filalaovana. […]

Filoham-pirenena telo no tonga: nakotroka ny lanonam-panokafana teny Mahamasina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11. Nakotroka ny lanonana. Nanome voninahitra ny lanonana izay tonga nanotrona ny fanokafana, ny filoham-pirenena 3 avy amin’ny Nosy Mau­rice, Seychelles ary Comores, niampy ireo andrimpan­ja­kana maro avy amin’ny Nosy rahavavy. Niatomboka […]