Fanatajahantena

Rugby – «XXL Top 12 Mada»: Hanohitra ny FTM Manjakaray ny 3FB

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro faha-11 sady farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12 Mada”. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Tsy manan-tsafidy ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ity fa mila mandresy raha te ho tafiditra […]

Baolina kitra – «Chan 2024» : Vonona handresy an’i Eswatini ny Barea de Madagascar

Tonga ity ny fotoana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Chan 2025” ho an’ny Barea de Madagascar. Fanamby goavana no miandry an-dry zalahy dia ny handresy an’i Eswatini, amin’ireo lalao roa hifanandrinana. Lalao hatao atsy Afrika Atsimo sy Maurice. Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Lucas Masterpieces Moripe Stadium, ao Pretoria Afrika […]

Karate-“Challenge du Sud Est” : Miaraka misalahy ny ligy telo

Hanomboka, anio, any Manakara, ny fifaninanana “Chal­lenge du Sud-Est”, taranja karate. Efa vonona tanteraka ny fandraisana ity fifaninanana ity izay hiarahan’ny ligy telo mikarakara dia ny ligin’i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Fifanina­nana efa nanomboka omaly ary hitohy anio sy ny rahampitso. Araka ny efa nampahafantarina, ity no fifaninanana farany […]

SOMBIM-BAOVAO

Nametra-pialana tsy ho tale teknika nasionalin’ny taranja tenisy ambony latabatra Rakotoarisoa Tahiry, ny talata lasa teo. Mahagaga ny mpankafy ity fanapaha-kevitra ity, raha ny vokatra no jerena, nahavita nanome ny tsara indrindra avy aminy ity teknisianina ity, porofon’izany ny naha tompondakan’i Afrika an’i Madagasikara, tamin’ny lalao isan-tarika, izay natao tany […]

«Pureplay Football League» : miankina amin’ny FMF ny tohiny

Notontosaina teny Mahamasina, omaly, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra ny hevitra mahakasika ny tohin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny filohan’ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara, CFEM, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. Nilaza ny tenany fa nisy ny fangatahana natao any amin’ny Federasiona malagasy (FMF), […]