Namaly ny resa-be mahakasika ny haha kandidà, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriantsima Faneva Ima. Nambarany tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy lasa teo, tetsy Amparibe fa tsy mieritreritra izany izy. «Ambarako amin’ny fomba ofisialy fa tsy kandidà ny tenako ary tsy manohana olona ihany koa», hoy izy. […]
Fanatajahantena
Amboaran’ny filoha: tafita amin’ny manasa- dalana Antananarivo sy Antsiranana
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, by-pass, ny andro faharoan’ny amboaran’ny filoha “Coupe du Président” 2023, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana Antananarivo sy Antsirananana. Marihina fa nomontsanin’Antananarivo, tamin’ny isa 5 no ho 1, i Toliara, raha toa ka nandavo an’i Mahajanga, 3 no ho […]
Ligy-baolina kitra : rava sahala ny fifidianana tany Sava
Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny anivon’ny faritra 22, mandrafitra ny federasiona malagasy, baolina kitra, ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy. Samy nahazo vato roa avy, tamin’ireo seksiona efatra tany Sava, i Belalahy Aurelien sy i Pontiac Jean Theophan. Raha ny vaovao voaray, efa nisy ny fihodinana fahatelo saingy nijanona […]
“IHF Trophy continental”: ratsy ny vokatra ho an’ny Akio
Nifarana ny sabotsy 12 aogositra lasa teo, tao Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny “IHF Trophy continental”, sokajy zandriny, vehivavy (cadette) sy «junior». Ratsy ny vokatra ho an’ny Akio de Madagascar. Tsy nahazo fandresena mihitsy mantsy ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ireo lalao rehetra nataony. Nametraka azy ireo, […]
Lalaon’ny Nosy: noraisina tany Antsiranana ny afo Olympika
Nigadona ny sabotsy hariva eto Madagasikara, ny afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy. Tao Antsiranana no nandray izany. Hitety ny renivohi-paritany enina, mialoha ny lalao. Vahoaka marobe no efa niandry ny fahatongavan’ny afo Olympika, tao amin’ny kianjan’Antsiranana, ny sabotsy lasa teo. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Naka izany tany Maorisy […]