Nifarana omaly, tetsy amin’ ny kianja Travaux Public Ala-robia, ny fankalazana ny faha-18 taonan’ny FC Copain. Nanakatonana izany ny famaranana ny “Tournoi” baolina kitra lalaovin’olona 7. Nandrombaka ny amboara sy ny omby mifahy, ny Vétéran FC Ampatsakana, rehefa nandresy ny 2FC Alarobia tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina […]
Fanatajahantena
“Pureplay Football League”: resin’ny CFFA ny Disciples FC
Notanterahina ny alahady lasa teo ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League” (PFL), taranja baolina kitra. Resin’ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC Vakinankaratra, teny amin’ ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass. Baolina tokana tafiditr’i Lalaina, tamin’ny alalan’ny “penalty”, ny minitra faha-69 no nitondra […]
DAKA AN-JORONY: Miezaka sy mitady hevitra mba hiala
Hihazakazahan’ireo mpilalao fahiny na ireo manan-katao amin’izao fotoana izao, ny manangana sekoly ho an’ny baolina kitra. Maniry ohatry ny anana izy eto an-dRenivohitra. Ahitana olona mampianatra kilonga madinika rehefa mety toerana malalaka eto Antananarivo sy ny manodidina. Ao ny tanimbary voatototra, ny tany kely mifefy zara raha mahazaka ankizy 20 […]
Petanky Be Analamanga : hifampitana ireo mpilalao isam-pokontany
Hiavaka ny fanombohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe, ny taom-pilalaovana. Hanome sehatra ireo mpilalao eny anivon’ny fokotany izy ireo ka hifampitana amin’ireo efa sangany. Hampakatra ny lentan’ny fifaninanana no tanjona. Hotanterahina eny amin’ ny kianja Ivato, ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 marsa ho avy izao, ny fifaninanana Petanky Be […]
“Youzou Smatchin Orange” : niady tanteraka ny lalaon’ny Espa sy ny Esca
Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10. Fifaninanana andraisan’ireo ekipa eny anivon’ny Oniversite izay ahitana sekoly ambony miisa 40. Nafana tanteraka ny andro roa voalohany, tonga marobe ny mpijery manohana ny ekipany. Ho an’ ireo andro roa voalohany, nafana avokoa […]




