Miandry fatratra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny Barea de Madagasikara A, ny mpankafy baolina kitra, eto an-tanindrazana. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny isan’ireo teknisianina nandefa taratasy ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa efa nifarana ny 5 desambra teo ny fe-potoana nomena ireo mpanazatra handefasana taratasy. […]
Fanatajahantena
Lomano-Afrika Zone IV: Nandrombaka medaly 6 ny Malagasy
Fahombiazana no azon’ny Malagasy mpilomano, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, zone IV, taranja lomano. Fifaninanana natao ny 4 hatramin’ny 9 desambra, tany Namibie. Medaly 6 no noraofin’ny solontena malagasy, ka volamena ny roa tamin’ireo. Ho an’i Glorio Precious, medaly volamena iray teo amin’ny 100m Brasse sy medaly alimo iray […]
Tsipy kanetibe – Sokajy Senior, lehilahy: Tompondaka maneran-tany 2024 i Zigle, laharana faharoa ny ekipa
Nihofahofa tany Dijon France ny sainam-pirenena malagasy ary nanakoako maneran-tany ny hiram-pirenena “Ry tanindrazany malala ô”, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany mantsy Rakotondrainibe Daniel (Zigle), teo amin’ny «tir de précision », taranja tsipy kanetibe. Noporofoin’ny Malagasy indray, ny sabotsy lasa teo, fa andrarezina amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny tohin’ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, federaly I, « XXL Top 12 ». Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Uscar Kaominina. Tanterahina anio, any Afrika Atsimo, amin’ny 12 ora atoandro ora eto Madagasikara, ny […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: Tsy nahatohitra an’i Italie i Madagasikara
Fandresena telo sy faharesena iray no azon’i Madagasikara teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2024 », taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana tanterahina any Dijon Frantsa. Omaly, resin’i Italie tamin’ny isa mazava 13 no ho 4, ny ekipam-pirenena malagasy. Ny Malagasy anefa no nitarika isa voalohany, 3 no […]




