Fanatajahantena

“World Cola PFL” : Hiverina manomboka anio ny fifaninanana

Hotontosaina manomboka anio sy rahampitso, ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra “World Cola Pureplay Football League (PFL)”. Efa ao anatin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ny klioba 12 rehetra mifanintsana amin’izao fotoana izao. Maro ny lalao azo heverina ho toy ny famaranana, fa anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy […]

Rugby-Challenger Series : Miaraka i Hong-Kong, i Canada ary i Madagasikara

Notanterahina ny alakamisy lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, ny antsapaka ho an’ireo firenena 12 hiatrika ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona fito, ho an’ny sokajy lehilahy. Fantatra fa ao amin’ny vondrona “D” ny Makis, miaraka amin’i Canada sy i Hong-Kong. Raha tsiahivina, hotanterahina ao Cape Town Afrika Atsimo, ny […]

Kianja Barea: Andrasana amin’ity volana ity ny inspecteur an’ny Caf

Efa eo am-pamaranana ireo pitsopitsony amin’ny fanatsarana ny Kianja Barea Mahamasina sisa ireo teknisianina. Andrasana afaka andro vitsy koa ireo inspecteur avy amin’ny Caf hijery ireo asa notakiny ka nasiam-panamboarana ary hiandrasana fankatoavana. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Moustapha Marson, teny Ankorondrano, ny alakamisy lasa teo, fa […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahatafiditra baolina voalohany ho azy i Rayan Raveloson, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny BSC Young Boys Suisse, afakomaly. Tsiahivina fa nandresy 6 no ho 1 ny ekipan’i Rayan, raha nifandona tamin’ny Yverdon Sport. Marihina fa ity izany no lalao fahatelo natrehan’i Rayan Raveloson hatramin’izay nifindrany toerana izay. Hotanterahina manomboka […]

Futsal vehivavy : Handray anjara amin’ny Can ny Barea Ladies

Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no handraisan’i Madagasikara anjara amin’izany. Nilaza ny eo anivon’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa efa dingana […]