Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Iavoloha sy Mahajanga ny tohin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mitongilahila ny fifaninanam-pirenena amin’izao fotoana izao. Fantatra, omaly, mantsy fa tsy hiatrika ity fifaninanam-pirenena ity ny Zanakala FC raha tsy miverina toy ny teo aloha […]
Fanatajahantena
Lomano-“Afrika Zone IV”: nahazo medaly volamena i Glorio Precious
Tsara fanombohana ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone IV, taranja lomano, atao any Namibie. Medaly volamena iray sy alimo iray no azon’ny Malagasy mpilomano hatreto. Niditra an-tsehatra ny alarobia lasa teo ny Malagasy mpilomano ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i “Afrika Zone IV”, taranja lomano, tanterahina any […]
Judo – “Female Training” : Hizara traikefa i Laura sy i Roumaica
Hanatanteraka fifampizarana sy fanazaran-tena ho an’ny judokas malagasy, vehivavy, Rasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpikatroka sangany eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika. Ny alatsinainy 23 desambra izao, eny amin’ny Dojo Playbox Analamahitsy, no hanaovana ity fanazaran-tena mitondra ny anarana hoe “Female training” ity. Hampiavaka io fotoana io ny fampandraisana anjara an’i […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanainga ny faran’ity herinandro ity, hihazo an’i La Réunion, ny atleta malagasy hiatrika ny fifaninanana « Saint Paul Fight Night », taranja Kick boxing. Malagasy mpikatroka 7 mianadahy (5 lahy sy 2 vavy) no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany, izay tarihin’ny Lion Force. Efa nanoman-tena mafy izy ireo. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, […]
Ankoay-Tompondakan’i Afrika : mbola vonona hanohana ny basikety ny XXL
Mbola manakoako hatramin’izao ny nahazoan’ny ekipa malagasy Ankoay, ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, notanterahina ny herinandro lasa teo. Fandresena izay nisoratra ho tantara ho an’i Madagasikara sy ny tontolon’ny taranja basikety. Nitondra anjara biriky goavana ka nahazoana ny fandresena ihany koa ny mpanohana, anisan’izany ny Star, tamin’ny alalan’ny XXL, […]




