Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Motocross of African Nation”, izay natao ny 25, 26, 27 oktobra lasa teo, tany Marrakech Maroc. Nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny lalao isan-tarika, sokajy 125 cc ry Leung Yen Sincere sy Rakotoarimanana Jeremy, Malagasy mpilalao. Taorian’ […]
Fanatajahantena
JJB-“Monde” : hifandona amin’ny Breziliana i Nofy
Hiditra an-tsehatra, rahampitso, ny Malagasy mpikatroka, sokajy vehivavy, Rakotobe Nofy Mica (63kg), ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Fifaninanana atao any Abu Dhabi, nanomboka ny 6 novambra lasa teo ary hitohy hatramin’ny 16 novambra. Ilay teratany Breziliana, i Anna Beatriz, no hifandona aminy voalohany, eo amin’ny […]
Karate – «Mada 2024» : nisy vokany ny fampivondronana isam-paritra
Nikatona tanteraka tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao tany Toliara, ny herinandro lasa teo iny, ny fandaharam-potoan’ny Federasion’ny Karate-do malagasy, ho an’ny taona 2024. Avo lenta ary modely iny fifaninanam-pirenena iny, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Nisy vokany, hoy izy, ny fampivondronana sy ny fampiofanana natao ary ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina eto Madagasikara ny 14 ka hatramin’ny 22 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe indianina, ho an’ny ekipa tompondaka taranja handball (CCCOI 2024). Firenena 8 no handray anjara amin’izany, i Madagasikara mpampiantrano, i Maurice, i Seychelles, i Comores, i Mayottes, i Rodrigues, i Djibouti ary i […]
“Cours des Entraîneurs Niveau 1”: ho fampivoarana ny volley-ball malagasy
Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana “Cours des Entraîneurs FIVB niveau 1”, taranja volley-ball. Miisa 45 ireo mpanazatra manaraka izany, ka manana solontena avokoa ny ligim-paritra rehetra. Razafinjatovo Honoré, Malagasy mpampiofana iraisam-pirenena no notendren’ny FIVB (Fédération Internationale de Volley-ball) hampiofana. Hentitra izy ary […]




