Nanainga, ny talata alina nihazo an’i Moscou Russie, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Karaté, Rajaonarison Christian Finoana. Hiatrika ny “Championnat Karate International”, eo amin’ny kumite sokajy latsaky ny 60kg izy. Fifaninanana izay hotontosaina ny 8 hatramin’ny 10 novambra izao. Tsy mandeha irery i Finoana fa tarihin’ny mpanazatra azy, Rantsoramanana Tanjona. […]
Fanatajahantena
Ping-pong – Amboaran’i Madagasikara: nisongadina ny zava-bitan’Andriatahina Gracia
Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena niadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja ping-pong. Anisan’ny nandrombaka amboara ny Challengers Analamanga ka nahazoan’i Gracia ny anaram-boninahitra “1ère série”. Notanterahina tany Ambatolampy, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja ping-pong. Nahavita dingana tsara ny klioba Challengers Analamanga, […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina nanomboka omaly, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Anisan’izany ry Njiva, Amada, Tony, Dadafara, Lalaina sy Nina ary i Rado. Tsiahivina fa hivoaka tsy ho ela ny lisitry ny ekipa nasionaly malagasy. Nifarana ny alahady 2 novambra […]
Rugby « Women’s Seven Africa » : ambony ny herijika ho an’ny Makis Ladies
Hanainga rahampitso amin’ny 3 ora maraina, etsy Ivato, hihazo an’i Ghana, ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies. Hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Women’s Sevens Tournament (W7T)” izy ireo. Sokajy vehivavy, lalaovin’ olona fito izany. Hotanterahina any an-toerana ny 9 sy 10 novambra ho avy izao. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, tetsy […]
« IHF Trophy cadet »: laharana fahadimy ny Akio
Farany vao nisy ventiny. Nahazo fandresena ihany ny Akio de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy cadet. Omaly, resin-dry zalahy tamin’ny isa 32 no ho 22 i Zambie. Fandresena mametraka azy ireo ho eo amin’ny laharana fahadimy. Fihaonana notanterahina tao Ethiopian Sports Academy. Tombony ho an’ny […]




