Fanatajahantena

Fanomanana ny lalaon’ny Nosy: hifanindran-dalana ny fampivondronana sy ny fiofanana

Miha manakaiky ny daty hanatanterahina ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana amin’io herinandro ho avy io, ho fanomanana izany. Araka ny efa notaterina teto, hanomboka amin’io herinandro ho avy io, ny fampivondronana farany ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny atleta malagasy. […]

Lomano – Lalaon’ny Nosy : nahena ho 16 ny isan’ny Malagasy mpilomano hifaninana

Araka ny loharanom-baovao, 8 lahy sy 8 vavy no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. 30 anefa no tokony ho isan’ny hisolo tena an’i Madagasikara tany am-boalohany, raha ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona mala­gasin’ny lomano, Razafin­drafidy Naivo. 16 ihany man­tsy […]

Tenisy ambony latabatra : “Expatriés” 5 hanao JIOI

Atleta malagasy, mila ravinahitra any ivelany, 5 no hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Rakotoarimanana Fabio, Razafinarivo Antoine, Jonathan Nativel, Hanitra Karena ary Randrianarisoa Niantsa, izay efa manana “palmares” betsaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izy ireo. Hanomboka ny 24 jolay ny fampivondronana […]

Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026»: iray vondrona indray i Madagascar sy i Ghana ary i Centrafrique

Fantatra avokoa ireo firenena miray vondrona amin’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana ny hiatrehana ny «Mondial 2026». Hihaona ao indray ny Black Star Ghana sy ny Barea de Madagascar. Notanterahina tany Abidjan Côte d’Ivoire, omaly, ny antsapaka ho an’ireo firenena hifanintsana hiady ny toerana hiatrehana ny “Mondial 2026”. Ao amin’ny vondrona “I” […]

Kitra – Lalaon’ny « Francophonie » : mbola tsy misy ny fampivondronana ny Barea U20

Afaka roa herinandro dia hanomboka ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, andiany faha-9. Lalao hotanterahina any Kinshasha, RD Congo, ny 28 jolay-6 aogositra. Tsy mbola misy resaka ny fampivondronana ny Barea U20, taranja baolina kitra. Rehefa natao ny fanadihadiana teny amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra […]