Fanatajahantena

Handball – IHF Trophy: hatao any Côte d’Ivoire ny fifaninanana

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny dingana famaranana amin’ny IHF Trophy kaontinantaly, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny. Samy mandray anjara amin’izany avokoa ny sokajy vehivavy « cadette » sy « junior ». Hiady izay ho lohany ato amin’ny kaontinanta afrikanina ny solon-tena avy amin’ny faritra […]

“Camp d’élites”: Malagasy vehivavy mpilalao 6 hisitraka fiofanana matihanina

Mihamafy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny NBA. Mpilalao basikety vehivavy malagasy miisa 6 hiatrika “Camp d’elites”, amin’ity volana jolay ity. Fiofanana matihanina hiarahana amin’ny NBA no hositrahan’izy 6 mirahavavy, ho fampiroboroboana ny basikety sokajy vehivavy malagasy. Karazana “Camp d’élites” 4 any Afrika Atsimo sy any Etazonia ity fiofanana ity. Mpi­lalao 3 […]

Orange Pro League : hatao vondrona iray amin’ny taona 2024

Nifarana omaly, ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League (OPL), ho an’ny taona 2023. Nambaran- dRakotoari­manana Henintsoa, filohan’ny CFEM, teny Mahamasina fa mety hatao vondrona iray ity fifaninanana ity, mba hahafahan’ny klioba rehetra mifanandrina. Araka izany, tsy misy intsony ny vondrona avaratra sy atsimo. Marihina fa mbola hisy ny fivoriana mahakasika izany, ataon’ireo klioba […]

Kitra malagasy : Tompondakan’ny Opl taona 2023 ny Fosa Junior

Nahazo ny amboaran’ny Opl ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Tsy afa-bela tamin’izy ireo ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Nisaraka tamin’ny isa 1 no ho 0 ny ekipa roa tonta. Norombahan’ny ekipan’ny Fosa Junior Fc ny vola mitentina 15 tapitrisa ariary. Izy ireo no solontenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana Afrikanina C1. Lavon’ny […]

Kitra – Fosa vs As Fanalamanga : ho fantatra rahampitso ny Tompondakan’ny OPL

Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fa­nalamanga Alaotra Mangoro. Lalao hotanterahina rahampitso, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina. Marihina fa lelavola 15 tapitrisa Ariary no homena ny mpandresy amin’ izany. Ho fantatra amin’io fotoana io, ny solontena Malagasy amin’ny […]