Eo am-panomanana tanteraka ny “Critérium National”, ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Fihaonambe nasionaly hotanterahina ny zoma 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Pedro Andralanitra. Tanjona ny hanetsehana indray ireo taranja matory, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Hetsika maro no hanamarihina io fotoana […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa hatao any Ambatolampy, manomboka ny 1 hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra «Ping Pong». Hetsika izay hiarahan’ny Federasiona FMTT sy ny seksiona ao Ambatolampy manatanteraka izy ity. Hotontosaina, anio, any Mahajanga, ny fiadiana ny […]
«Ballon d’or 2024»: nanao pao-droa ny Espaniola
Notontosaina omaly, tao Paris, ny lanonana fanomezana ny “Ballon d’or”, ho an’ny mpilalao baolina kitra mendrika maneran-tany, ho an’ny taom-pilalaovana 2023-2024. Nanao pao-droa ny Espaniola, satria lasany avokoa ny teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ho an’ny lehilahy, nandrombaka izany voalohany ho azy, i Rodri, mpilalaon’ny Manchester City. Teo amin’ny […]
Fanakianana ny Makis Ladies: namaly ny minisitry ny Fanatanjahantena Rakotomalala Marcel
“Tsy mamaky ady amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena ny Malagasy rugby fa tokony samy haka ny anjara andraikiny”, hoy Rakotomalala Marcel. Setrin-teny, taorian’ny fanakianana nataon’ny minisitra, Marson Moustapha Abdulah, ny Makis Ladies. Nanoloana ilay fanakianana ny Makis Ladies, nataon’ny minisitry ny Fanatanjahantena, nanome valin-kafatra ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Nandritra […]
Ampahefa-dalan’ny GTA : hidona ny Avenir Ste Anne sy ny AS Fanalamanga
Tontosa omaly, teny Andoharanofotsy, ny fivoriana mahakasika ny tohin’ny fifaninanana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Tapaka ary fa hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny ampahefa-dalan’ny fifanintsanana. Anisan’ireo fifanandrinana tena andrasan’ny maro, ny lalao hihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne. Fihaonana […]




