Tontosa araka ny tokony ho izy ny “Critérium National”, teo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy), izay natao teny amin’ny Kianja mitafo Andralanitra, ny zoma 1 novambra teo. Nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond, fa fahombiazana tanteraka iny hetsika iny, izay nahitana fandraisan’anjaran’ny mpikatroka 1200. Taranja haiady isan-karazany sy […]
Fanatajahantena
Rugby – «XXL Top 12 Mada»: Afa-bela tamin’ny FTM Manjakaray ny Cosfa
Nivoaka ho mpandresy nanoloana ny FTM Manjakaray (Dakar) ny Cosfa (Bebaoty), nandritra ny andro fahasivy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12 Mada”. Fihaonana nanalan’ny miaramila vela, tamin’ity indray mitoraka ity. Notanterahina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny andro faha-9 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]
SOMBIM-BAOVAO
Nambaran’ i Faneva Ima, tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, fa efa any France, ilay Malagasy mpilalao, El Hadari. Tsy nety nilaza ny anaran’ilay klioba nefa ny tenany. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray nefa, fantatra fa klioba iray ao amin’ny diviziona faharoa any France no mety haka an’i El Hadari, […]
Rugby – «Top 12 Mada»: hiady lohany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faha-9, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12”, taranja rugby. Hisongadina amin’izany ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy Cosfa (Miaramila Bebaoty), hiady izay ho lohany. Mitarika eo amin’ny filaharana ry zareo Manjakaray (Dakar) raha eo amin’ny faharoa ny Cosfa. Hiendrika […]
Baolina kitra – GTA : ho fantatra anio izay hanao manasa-dalana
Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny lalao ampahefa-dalana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana amin’izany. Ho toy ny famaranana avokoa ny fifanandrinana. Anisan’izany ny an’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne ary ny an’ny CFFA […]




