Tsy tapitra teo amin’iny fiadiana ny amboara eran-tany iny ny lalan’ireo mpilalao U19, eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hisy amin’ireo mpilalao tany Hongrie ireo no ho voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Mbola […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Miala sasatra eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ry Randrianasolo mirahalahy, fanta-daza amin’ny taranja MMA (Mixed Martial Art). Araka izany, hisy ny fiofanana karakarain’ny Judo BJJ Esca, rahampitso, eny amin’ny Dojo Esca. Handray anjara amin’ny fampiofanana ihany koa ireo mpiangaly MMA eto Madagasikara. Hotanterahina iray volana mialohan’ny lalaon’ny Nosy ny fampivondronana […]
Lalaon’ny tany miteny frantsay : mety tsy handray anjara ny Barea
Baraingo indray ny ho fandraisan’anjaran’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la francophonie 2023). Fihaonana tanterahina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny 28 jolay ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Araka ny fanadihadiana natao, tapitra ny talata 4 […]
Mathias M’Madi : anisan’ny voafantina amin’ny GloblJam 2023
Nitondra vokatra tsara ho an’i M’Madi sahady ny fisongadinany, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19, natao tany Hongrie. Tafiditra ao anatin’ny mpilalao afrikanina mendrika indrindra izy. Ao anatin’ny mpilalao mendrika indrindra eto Afrika i Mathias M’Madi, mpilalao nisongadina tamin’ny «World Cup U19», natao tany Debrecen Hongrie. Hihazo […]
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : ho vita alohan’ny faran’ny volana ireo fotodrafitrasa
Nambaran’ny minisitry ny fanatanjahantena malagasy, i André Resampa, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo, fa ho tafapetraka avokoa ary ho vita alohan’ity faran’ny volana jolay ity ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), andiany faha-11. Fihaonana, hatao eto Madagasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra, ho avy […]