Fanatajahantena

Rugby : fantatra ireo ekipa ao anaty «Top 12»

Taorian’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”, fantatra avokoa ireo ekipa tafajanona ao anatin’ny “Top 12”, ho an’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha tsiahivina, tsy natao “Top 20” intsony ny fifaninanana, araka ny fepetra notakin’ny rafitra iraisam-pirenena dia ny Rugby Afrique sy ny International Rugby Board […]

Kitra – “Orange Pro League” : mahazo 15 tapitrisa Ar ny tompondaka

Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Ekipa roa avy ao amin’ny vondrona avaratra, ary efa mifankazatra tsara. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina, ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro […]

Kaominina Soavina : mamolavola tanora maro ny DSA

Anisan’ny tanàna iray ma­nana ny lazany amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ny kaominina Soavina. Ani­san’ izany ny klioba baolina kitra, Domoina Soavina Atsi­mon­drano (DSA). Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, omaly, dia ao anatin’ny fo­toana famolavolana ny tanora hitia fanatanjahantena ny klioba DSA amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavana nataon-dRakotoarisoa Bien […]

Tsipy kanetibe malagasy : tsy mety mamotsotra ny sazy i Claude Azema

Mbola voasazy ny tsipy kanetibe malagasy. Nandefa taratasy manamafy izany ny federasiona iraisam-pirenena. Filam-baniny kosa, hoy Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny federasion’ny sport boule malagasy (FSBM). Raha tsiahivina, ny trosa tsy voaloa tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy “junior” sy vehivavy, natao tany Barcelone, ny taona 2021, […]