Fanatajahantena

Rugby – «XXL Top 20»: resin’Ankady tamin’ny moka fohy ny TFMA

Lavon’ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso), tamin’ny isa tery 17 no ho 16, ny TFMA An­kasina (Boaikely manohitra). Fihaonana, niadiana ny tapakila hiakarana eo amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 20”. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly alahady. Niady ny fihaonana satria nitarika tamin’ny […]

Atletisma – «Madagascar 2023»: tsy nisy ny zava-bita tsara montsana

Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Tsy nisy ny zava-bita tsara montsana, tamin’ity. Na izany aza, betsaka ireo fe-potoana mahavelombolo. Anisan’izany, ny zava-bitan’i Toky, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, teo amin’ny 100 m, lehilahy, vitany tao anatin’ny fe-potoana […]

« World Cup U19 »: Anisan’ny nofidina ho MVP i M’Madi

Malagasy mpilalao nanandratra avo an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny latsaky ny 19 taona, ny laharana faha-4 malagasy, i Mathias M’Madi. Afaka milahatra tsara amin’ireo kalaza eran-tany izy manomboka izao satria anisan’ny nofidina ho mpilalao mendrika indrindra, tamin’iny fifaninanana iny. Niaraka tamin-dry Reynan Santos […]

Fanomanana ny JIOI 2023 : hamboarina ny kianja Makis Andohatapenaka

Ho fandraisana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay ho tanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra dia hasiana fanamboarana ny kianja Makis, Andohatapenaka. «Hasiana fanamboarana ny kianja Ma­kis Andohatape­na­ka. Anisan’izany ny fanavaozana ny bozaka sy ny trano fiomanan’ny mpilalao “vestiaire”, ny trano fidiovana “douche”, sns…. Natao handraisana ny […]

Misaona ny tontolon’ny basikety: nodimandry Robertson Dalton (Joma)

Semban-drahona indray ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry, teo amin’ny faha-31 taonany, ny sabotsy 1 jolay lasa teo, ilay mpilalao basikety malagasy, Robertson Dalton, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Joma. Tao amin’ny klioban’ny GNBC Basket-ball izy no nilalao ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Na­nana ny naha izy azy i […]