Fanatajahantena

Savate – Mada 2023: hatao any Toliara ny fifaninanana

Fantatra ny fandaharam-potoan’ny taranja Savate Boxe Française amin’ity taona 2023 ity. Any Toliara ny hanaovana ny fifaninanam-pirenena. Hotontosaina ny 24-25-26 marsa izao ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara 2023, ho an’ity taranja ity. Tapaka izany nandritra ny fivoriambe natao tany Antsirabe ny volana janoary teo. Tafiditra anatin’ny fanapariahana sy fampandro­soana […]

Kianja Basikety Mahamasina: nihaona tamin’ny SENVH ny FMBB

Taorian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ ny Repoblika, amin’ny fahafahana mampiasa ny kianja basikety Mahamasina, ni­haona tamin’ny Sekrete­ram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao, ny federasiona malagasin’ny basikety. Niara-nandinika ny fomba hitantanan’ny FMBB ity kianja ity ny SENVH, Andria­manohisoa Gérard sy ny filohan’ny Federasiona, Ra­maroson Jean Michel. Ni­dina ifotony avy hatrany ny roa […]

Minisitra Resampa André Haja: “Omanina ireo atleta andiany faharoa hiofana any ivelany”

Notanterahina omaly ny filankevitry ny minisitra. Nilaza ny minisitry ny Fanatan­ja­hantena, Resampa André Haja, fa hisy atleta malagasy andiany hafa hiofana any ivelany. Hisy koa ny fikarakarana ny amboaran’ny filoha. Hametraka ny paikady “Vohitra”. “Efa mikarakara ireo atleta malagasy andiany faharoa hiofana any ivelany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena”, hoy ny minisitry […]