Tsy afaka milalao i Sony Laiton, mpiandry tsatoby an’ny Barea de M/car, amin’ny andro fahadimy hikatrohana amin’i Tunisie sy ny andro fahenina hifandonana amin’i Comores. Noho ny karatra mavo indroa azony nandritra ny fihaonana teo aloha ny anton’izany. Mety hisolo ny toerany izany, i Teva na i Nina. Taorian’ny fahavitan’ny […]
Fanatajahantena
Karting : hiditra amin’ny dingana fahefatra
Hotanterahina ny alahady 20 oktobra ho avy izao, eny amin’ny “circuit international” Imerintsiatosika ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny karting «4è Grand Prix de Mada 2024». Fifaninanana, karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpifaninana rehetra manana ny kara-pilalaovana karting FSAM, voamarin’ny federasiona sy ireo mpanamory […]
Basikety – Road to ball: hidona amin’i Tanzanie anio ny ekipan’ny zandary
Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny Road to ball, taranja basikety, manomboka anio ny Gendarmerie Nationale Basket-ball Club (GNBC). Hidona amin’i Tanzanie, mpampiantrano ny mpilalaon’ny zandary, eo amin’ny fanombohan’ity fifaninanana afrikanina ity. Hanomboka amin’ity alakamisy ity, ao amin’ny kianja mitafon’i Dar-Es-Salam ao Tanzanie ny Road to ball, taranja basikety. Dingana voalohany amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tafita any amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, «XXL Top 20», ny ekipan’ny CEA Andranomanalina. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 20 no ho 13, ny ekipan’ny Stade SOE, ny alahady teo, tetsy amin’ ny Kianjan’ny Malacam Antanimena. Hotontosaina any Maroc, ny volana novambra ho avy io, ny […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2024» : mpilalao 18 hifantenana ekipam-pirenena
Namoaka ny anaran’ireo mpilalao tsipy kanetibe miisa 18 mendrika indrindra hanaovana fifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena malagasy ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), ny alatsinainy teo. Tamin’ny alalan’ny fampahafantarana tao anaty tambajotran-tseraserany no nanaovany izany. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dijon Frantsa, i Madagasikara, […]




