Fanatajahantena

Rugby – Lalao fihantsiana : hanafika ny Makis ny oniversiten’ i Bristol avy any Angletera

Hampiantrano vahiny goavana ny rugby malagasy. Taorian’ny “Can” vehivavy, handray ny mpianatry ny oniversiten’i Bristol avy any Angletera. Hidona amin’ny Makis “senior” sy U20. Tonga eto Madagasikara, omaly, ny ekipan’ny oniversiten’i Bristol, avy any Angletera. Tsy hitsangantsangana fa hanafika ny Makis de Madagascar. Hisy ny fihaonana eo amin’ny ekipa roa […]

Tsipy kanetibe – «Mada 2023» : nanjakan’ny ekipan’ny BIC ny fifaninanana

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ivato, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nisongadina ny ekipan’ny BIC izay nandrombaka ny tompondaka teo amin’ny «sé­ni­or» lahy sy vavy. Voaho­so­tra ho tompondakan’i Ma­da­ga­sikara ho an’ny lehilahy, i Bary sy i Jacquy ary i Fa­ra­tina. Lasan’i Judicael sy i Miary […]

Basikety-N1B (L) : tompondaka ny Cosfa Analamanga

Nikatona, ny faran’ny heri­nandro teo, tany Moron­dava, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1B sokajy lehilahy. Voahosotra ho tompondaka nandritra ny fifaninanana, ny ekipan’ny Cosfa An­alamanga. Nifanandrina ta­min’ny ekipan’ny SBBC Boeny, teo amin’ny famaranana, ity ekipa tompondaka ary nahazo ny fandresena, tamin’ny isa 65 no ho 53. Fan­dre­sena efa nampoizina ihany […]

Baolina kitra : Malagasy mpilalao 600 hotilina ho matihanina

Nahatratra 600 ireo mpilalao zandriny, hotilina amin’ny resaka baolina kitra eto amintsika manomboka anio. Vahiny mpitily matihanina roa no hanao ny adina ho azy ireo. Marihina fa mety hilalao any Frantsa, Canada, Etazonia, Alemaina ireo voatily. H otanterahina ao amin’ ny kianja “syntheti­que” Mahamasina, ma­nomboka anio hatramin’ny zoma 23 jona, […]