Raikitra indray ny andiany faha-6 amin’ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”. Fifaninanana hatao ny 2 sy 3 novambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hampiala voly ny tanora amin’ny alalan’ny basikety ny tanjona amin’ity “Alley Hoop 2024” ity, araka ny nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana, nandritra ny fampahafantarana […]
Fanatajahantena
MMA-WFA Championship : nandresy an’i Mohamed i Tojo Heriniriana
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpikatroka amin’ny taranja MMA (Martial Mixed Arts)/ i Tojo Heriniriana. Miatrika fifaninanana matihanina any Shanghai Chine, izy, nanomboka tamin’iny volana septambra iny, izay nisafidy manokana ny hifantoka amin’ny taranja MMA. Nahazo fandresena indray izy, omaly, tao anatin’ny fifaninanana “Main évent”, izay tafiditra anatin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharimanana Hanitra ary Jaoferson Fara. Laharana faha-6 tamin’ireo […]
Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents
Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambololona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokarakarain’ny ASA […]
Baolina kitra – “Can 2025” : mihasarotra ny lalan’ny Barea
Faharesena faharoa ho an’ny Barea de Madagascar, amin’ny ady tapakilan’ny “Can 2025”, ny omaly, tany Maroc. Lavon’ny Scorpion Gambie, 1 no ho 0, izy ireo. Ratsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny Stade El Abdi Maroc. Resin’ny Scorpion Gambie, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipa […]




