Fanatajahantena

Rugby – XXL Energy Top 20: nivoaka sempotra vao nandresy ny Mang’Art ny Tam Anosibe

Sahirana ny Tam Ano­sibe vao nahazo ny ta­pakila, hiatrehany ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Energy Top 20. Fihaonana, notanterahina omaly alahady 18 jona, teny amin’ny kianja Makis An­dohatapenaka. Efa tany amin’ ny fanalavam-potoana “mort subite”, vao nandresy ny Mang’Arts Manjakaray, ta­min’ny isa 29 no […]

Kitra – «Tournoi des 4 Nations»: resin’ny ekipa Réunionais ny Barea U23

Lavon’ny ekipa voafantin’i La Réunion, sokajy «sénior», tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Barea U23, nandritra ny « Tour­noi des 4 nations ». Fihaonana, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Aimé Bergeal Mantes La Ville, Frantsa. Baolina tokana tafiditr’i Damien Ludovic, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nosahiranin’ny Bareakely […]

Kitra- Zazavavy U15: tompondaka ny ekipan’ny CEG Nanisana

Nifarana afakomaly, ny fifaninanana an-tsekoly, ta­ranja baolina kitra, sokajy zazavavy U15. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ ny CEG Nanisana. Nandresy ny ekipan’ny CEG Antanimbari­nandriana, tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Araka izany, laha­rana faharoa ny CEG Anta­nimbarinandriana, fahatelo ny kolejy Masina Misely Am­paribe. Voafidy ho mpiandry tsatoby mendrika […]

Kitra – Fifanintsanana «Can 2024» : Voatazon’ny Barea ady sahala ny Black Stars Ghana

Nahavelombolo ny rehetra ny endri-dalaon’ny Barea de Madagascar nanoloana ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana ho an’ny “Can 2024”. Tsy navelan’ny Malagasy nikofoka mihitsy ry Ayew mirahalahy. Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Barea de Mada­gas­car sy ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, […]

Rugby – XXL Energy TOP 20 : hanohitra ny TAM Anosibe ny Mang’Arts

Ho fantatra rahampitso alahady 18 jona, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ireo ekipa 4 voalohany, hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Tsontsorimamba isarahana ny fihaonana manomboka izao. Tsy misy intsony ny kajikajy fa mangoron-damba avy ha­trany izay resy. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra […]