Notontosaina, omaly, tany Johannesburg Afrika Atsimo, ny antsapaka ahafantarana ireo mpiray vondrona amin’ny fifanintsanana baolina kitra, sokajy vehivavy, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra Afrika Atsimo Atsinanana “Cosafa 2024”. Ao amin’ny vondrona “B” ny misy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Hifandimby hihaona amin’ny ekipantsika amin’ izany i Malawi, Botswana ary […]
Fanatajahantena
Fanatanjahantena : hisy fiofanana ho an’ny mpanazatra
Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, ny alatsinainy lasa teo, tetsy amin’ny biraony, Ambohijatovo, ny masoivohon’i Allemagne miasa eto Madagasikara, Oliver Knoerich. Nifampiresaka mahakasika ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora izy ireo tamin’izany. Nisy ny vina izay napetraka ka anisany ny hisian’ny […]
Karate-Maneran-tany: hiakatra tatami, anio, i Tsiky Mialy
Anio 9 oktobra no hiakatra tatami ny solontena malagasy, Randrianavalona Tsiky Mialy Fanomezantsoa, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja karate, hatao any Venise Italie. Toy izao ny resaka nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*): Manao ahoana ny fahavononana? Tsiky Mialy (-): Vonona tsara hanome izay farahery. Efa niomana tsara […]
SOMBIM-BAOVAO
Norombahin’ny ekipa PDJA, nahitana an’i Mac Siou sy i Kenny Noel, ny voalohany tamin’ny karting 60 mn chrono, natao ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Havoana land Imerinkasinina. Nahatontosa fihodinana 48 ry zalahy, tamin’ny halavirana 900 m. Faharoa i Dive Bomb ary fahatelo Razafindratsimba Mboara, nandresy tamin’ny taon-dasa. Handray […]
Taekwondo WT- Analamanga : nahatratra 83 ireo mpikatroka nanao Poomsae
Tontosa tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja Taekwondo WT (TKD WT). Araka ny nambaran-dRanjavololona Julie Claudette, filohan’ny ligin’Analamanga, nasiana ny fifanintsanana eo amin’ny fihetsika mirindra Poomsae, mba hampiavaka ny hetsika. Nahatratra 83 ireo mpikatroka nandray anjara tamin’izany. Tanjona tamin’ity […]




