Notanterahina omaly, teny amin’ny orinasa Star ny antsapaka na “tirage au sort” ny lalao Federal 1- XXL Top 20. Hiray vondrona ao amin’ny “Poule D” ny ekipan’ny FTM Manjakaray sy ny USA Ankadifotsy. Ankoatra azy roa ireo, hiady lohany ao amin’ity sokajy D ity koa, ny 3FAI Ambalavao Isotry, ny […]
Fanatajahantena
Judo-Grand Slam: resy fihodinana voalohany ny Malagasy
Niakatra ny lentan’ny fifaninanana “Grand Slam”, taranja Judo, notontosaina tany Paris, natao ny herinandro lasa teo. Judokas kalaza avokoa no nifandona tamin’ny solontena Malagasy ka tsy tafavoaka teo amin’ny fihodinana voalohany izy 3 mianadahy niatrika ny fifaninanana. Tsiahivina fa Randrianasolo Lova Mahaisoa, sokajy latsaky ny 73 kg, Rakotoarivony Royal, sokajy […]
Tenisy-Afrika U18: tompondaka lefitra sokajy olon-droa i Miotisoa sy i Gloriana
Nifarana, omaly, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “continental”, latsaky ny 18 taona, notanterahina tany Le Caire, Egypta. Tompondaka lefitra teo amin’ny sokajy olon-droa, Rasendra Miotisoa sy i Gloriana Nahum. Resy tamin’ny seta 2 no ho 1 Rasendra Miotisoa, teratany Malagasy sy ilay Béninoise Gloriana Nahum, omaly, teo amin’ny lalao […]
Basikety – JIOI 2023 : hanala vela amin’i Mayotte ny Cospn
Hotanterahina amin’ny 13 febroary ho avy izao ny lalao iraisam-pirenena taranja basikety, izay hifanandrinan’ny Cospn Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Mayotte. Araka izany, hanala vela amin’ity farany ao amin’ny kianja Palais de Sport Mahamasina, ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa resin’ny vahiny tamin’ny isa 69 no ho 61 ny ekipan’ny polisy nasionaly, […]
Lalaon’ny Nosy : «Mandroso ny asa fanomanana», hoy ny MJS
Nanome toky ny mpitia fanatanjahantena malagasy, ny minisitra Tinoka Roberto, fa tsy maintsy tanteraka ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023. «Mandroso ny asa na dia tsy henoheno aza, miasa mangina izahay na dia tsy hita ety ivelany aza ary mandroso ny asa”, hoy izy. Efa […]