Fanatajahantena

Rugby – “WXV III” : resin’i Hong Kong ny Makis Ladies

Lavon’ny ekipan’i Hong Kong, tamin’ny isa 38 no ho 7, ny Makis Ladies, omaly, tao amin’ny kianja Sevens Stadium, Dubaï. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany amin’ny taranja rugby, “WXVIII”, sokajy vehivavy, ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Teo amin’ny fizaram-po­toana voalohany, nanjaka tanteraka ny ekipan’i […]

Atsimo Atsinanana : hananganana fotodra­fitrasa manara-penitra

Ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, nisy ny fifampiresahana nataon’i Marson Moustapha Abdullah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ireo solombavambahoaka dimy avy any amin’iny Faritra iny, ny talata lasa teo, teny Ambohijatovo. Anisan’izany ry Raby Savatsarah Ain’Harimanga, Andria­nam­benana Velomihoatra Painchard, voafidy tao Farafangana, Ratolojanahary […]

Judo-Maneran-tany: laharana faha-7 Rasoanaivo Laura

Vita omaly ny anjaran-dRasoanaivo Razafy Laura, tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja judo. Laharana faha-7 no nisy ny solontena malagasy. Omaly no nifaninana teo amin’ny sokajy nisy azy, latsaky ny 70 kg, ny judo­kas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura. Dingana lehibe no vitany satria teo amin’ny ampahefa-dalana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly alina, hihazo an’i Maroc, ny delegasiona malagasin’ny ekipam-pirenena, Barea de Madagascar. Mpilalao miisa dimy no fantatra fa lasa any an-toerana, araka ny vaovao voaray omaly. Anio kosa no hivoaka ny lisitry ny mpilalao izay mandrafitra ity ekipa nasionaly amin’ny baolina kitra ity. Hotontosaina anio, any Dubaï, ny andro […]

Judo Malagasy: nanolotra fitaovana ny masoivoho japonais

Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambohi­jatovo, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, Abe Koji. Maro ny resaka nifanaovana tamin’ity fihaonana ity, anisan’ny zava-dehibe tamin’ izany ny fanomezana fitaovana ho an’ny Federasiona mala­gasin’ny judo. Araka ny fanazavana voaray, natolotry ny japonais maimaimpoana ho […]