Fanatajahantena

Tetikasan’ny Fifa : efa manomboka ny hetsika “Football for School”

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny sekoly St Michel Amparibe, ny tetikasan’ny Fifa “Foot­ball for Schools” (F4S), eto Madagasikara. Miisa 36 ireo sekoly hanaovana ny andrana voalohany amin’ity tetikasa ity. Ankoatra izay, notolorana fitaovana toy ny baolina sy mari-pankasitrahana na “dip­lôme” mahakasika izany, avy amin’ny Fifa ireo mpanabe ny […]

Tenisy – « Billie Jean King Cup »: lavon’i Madagasikara i Sénégal

Mitohy ny fahombiazana azon’ireo vehivavy malagasy mpilalao, miaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifaninanana maneran-tany, « Billie Jean King Cup », taranja tenisy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Sénégal. Mitombo ny vokatra tsara azon’ny ekipam-pirenena mala­gasy vehivavy, amin’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup », taranja tenisy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 […]

Ankoay U19 – “Match amical” : nanao sahala 95 no ho 95 tamin’ny AIA Canada

Lalao ara-pirahalahiana roa no natrehin’ny Ankoay U19, omaly, tetsy Mahama­sina, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Hongrie, afaka tapa-bolana. Araka izany, ady sahala sy fandresena iray no azon’ny Ankoay nandritra ireo lalao roa ireo. Ny voalohany izay nifanandrinany tamin’ny klioban’ny AIA Canada, ka nisaraka ady sahala 95 […]

« Mercato Juin »: lasan’i Real Madrid i Bellingham

Taorian’ny fahalasanan’i Karim Benzema nifindra lasy any Arabia Saodita, Al Ittihad, ny talata lasa teo, nahazo mpilalao vaovao ny Real Madrid. Azon’izy ireo ilay anglisy milalao ao amin’ny Dortmund, Alemana i Jude Bellingham, omaly, araka ny vaovao niely eraky ny tambajotran-tserasera. Mitentina 103 tapitrisa euros ny vidin’i Bellingham, araka ny […]