Hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso sabotsy ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “Elites 8” N1A, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 4 mendrika, sokajy lahy sy vavy, taorian’ny andro faha-7, omaly. Laharana voalohany ao amin’ny sokajy vehivavy, ny MB2ALL Analamanga, rehefa nandresy ny Ascut Atsinanana, tamin’ny isa 63 no ho 59. […]
Fanatajahantena
Karate – Maneran-tany: Andrianavalona Tsiky no hisolo tena ny Malagasy
Solontena malagasy tokana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, hatao any Venice Italie, Andrianavalona Tsiky Mialy Fanomezantsoa. Hatao ny 9 hatramin’ny 13 oktobra izao, any Venice Italie, ny andiany faha-13 amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Karate. Sokajy Cadets, Juniors, U21, eo amin’ny Kata sy Kumite no hifaninanana […]
Baolina kitra afrikanina : nosazian’ny Fifa enim-bolana i Samuel Eto’o Fils
Ny alatsinainy lasa teo, namoaka ny sazy ho an’i Samuel Eto’o Fils, filohan’ny federasiona baolina kitra Cameroun (Fecafoot), tao amin’ny tambanjotra serasera ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Nosaziana enim-bolana tsy mahazo mijery sy manatrika ny lalao hataon’ny ekipam-pireneny ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny tenany. Anton’izany ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny alahady 6 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Rugby, sokajy vehivavy. Hifanandrina amin’izany ny UAS Cheminots sy ny Fanja Anjanahary. Tontosa ny talata lasa teo, tamin’ireo kianja enina manerana ny Nosy, ny andro voalohany hiadiana […]
Volley : hohatsaraina ny fahaizan’ny mpanazatra
“Hatsarao ny fahaiza-manao!”, io no lohahevitra amin’ny fiofanana karakarain’ny FIVB (Fédération Internationale de Volley Ball), natokana ho an’ny mpanazatra niveau 1. Anisan’ny hisitraka izany ny mpanazatra eto Madagasikara, ka ny mpampiofana iraisam-pirenena, Razafinjatovo Jean Honoré, no hitarika izany. Hizara ny traikefany izy amin’ny maha mpampiofana iraisam-pirenena azy. Tsiahivin fa efa […]




