Fanatajahantena

Tenisy – Billie Jean King Cup : lavon’i Madagasikara i Lesotho

Taorian’ilay fandresentsika, tamin’ny isa 2 no ho 1 nanoloana an’i Cameroun, nahazo vokatra tsara indray ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, sokajy vehivavy, ny talata lasa teo. Nomontsanin’ny ekipam-pirenena malagasy, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, nandritra ny andro faharoa amin’ny fifaninanana «Billie Jean King Cup». Lavon-dRanaivo Narin­dra, […]

Kitra – Barea de Madagascar : ho tonga amin’ny 10 jona ireo mpila ravinahitra

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny kintana maintin’i Ghana, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny Can 2024. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana no tonga amin’ny fampivondronana, etsy Mahamasina. Efa ao anatin’ny fano­manan-tena amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana avokoa no miatrika izany. […]

«Fiba World Cup U19»: hisy manam-pahaizana hitily mpilalao

Hiatrika ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety “Fiba World Cup U-19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona- 2 jolay ho avy izao, ny Ankoay lahy. Araka ny fanadihadiana natao, hisy mpitily matihanina “agents recruteurs” hijery amin’io fotoana io. Araka ny filazan’Andriantsarafara Lovasoa, kapitenin’ny An­koay, fotoana fanararaotana hampisehoana ny talenta […]

Tenisy – “Billie Jean King Cup” : tsara fanombohana ny ekipa malagasy

Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’i Cameroun, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Billie Jean King Cup”, atao any Kigali, ny 5-10 jona izao. Marihina fa fifanintsanana isaky ny ekipa ny “Billie Jean King Cup”. Araka ny voka-dalao, ny alatsinainy […]