Fanatajahantena

JJB-“World Championship” : Malagasy mpikatroka 24 hiatrika fampivondronana

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitr’ireo mpikatroka hifantenana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany, taranja Jiu-jitsu breziliana “World Champion­ship”. Fifaninanana izay hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ ny 16 novambra izao. Mpika­troka 24 no voaantso amin’ izany ary hiatrika fampivondronana voalohany ny alarobia 2 oktobra izao, araka ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny 11 oktobra ho avy izao no hiatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” hatao any Maroc indray i Madagasikara. Ny ekipam-pirenen’i Gambie no hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar amin’izany. Lalao izay hatao any Maroc. Efa manatan­teraka fampivondronana etsy Mahamasina ny mpanazatran’ny ekipa, ny Coach Rôrô. Nahita vokatra […]

Sénégal : hanangana ivontoerana eto Madagasikara

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambo­hijatovo, ny Consul honoraire an’i Sénégal eto Madagasikara, Souleymane Diagne. Nifampiresahana ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ka hisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sénégal momba izany. Araka ny vaovao […]

Tenisy – “ITF World Tour Junior J30”: nanao pao-droa Rakotomalala Mahefa

Niavaka ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis World Tour Junior J30”. Nahazo amboara telo i Madagasikara ka ny roa tamin’ireo norombahin-dRakotomalala Mahefa avokoa. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kian­jan’ ny Club Olympique de Tananarive (COT), ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF […]

Futsal – « Mada 2024 » : Ekipa 10 isan-tsokajy no hifanintsana

Hotontosaina eto Anta­nanarivo, ny 28 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efitrano “Futsal”, sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy ny Super vétérans. Amin’ity andiany voalohany ity, nilaza ny filohan’ny Kaomisionina misahana ny futsal sy ny beach […]